♦ Hanao fanadihadiana momba ilay raharaha fitifirana namoizana ain'olona am-polony maro tany Ikonjo ireo solombavambahoaka. Hatsangana ny vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera momba izany... ♦ Efa nivoaka ny lisitr'ireo voafantina mpianatra ho zandary, ka hiatrika fiofanana tsy ho ela. Notononina ampahibemaso omaly ny anaran'ireo afaka tamin'ny dingana fifaninana faharoa... ♦ Dinihina sy ifanakalozan-kevitra eny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny tanàna Analakely nanomboka omaly ny olana sy ny tontolon'ny fananan-tany. Toerana hampahafantarana ny rehetra ny momba ny lalàna mifehy izany sehatra izany...
08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.
Maro ireo tsy mivavaka raha tsy efa misy zavatra ilainy ka manao hata-piso amin'Andriamanitra. Tsy vitsy ireo mivavaka mba ho hitan'ny olona. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Talata 8 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco