♦ Mihamafy sy mitombo ny fotoan'ny fitsofan'ny rivotra Varatraza any Antsiranana, vokatry ny fiovan'ny toetrandro. Raha efa-bolana izany 20 taona lasa, maharitra enim-bolana kosa ankehitriny... ♦ Hamondrona ireo mitady asa sy ny mpampiasa amin'ny tontolon'ny kolontsaina sy ny serasera no antom-pisian'ny fandaharan'asa Toro Asa Serasera sy Kolontsaina na ny TASK... ♦ Hitohy amin'ny herinandro ho avy ilay seminera karakarain'ny fikamabanan'ny parlemantera avy amin'ny tany miteny frantsay, eto amintsika. Maro ny lohahevitra noresahana nandritra ny fihaonana natao teny Tsimbazaza...

♦ Nitokana zava-bita maro tany Nosy-Be, Faritra Diana, ny Filohan'ny Repoblika. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ny hahatonga ny fizahan-tany ao Nosy-Be ho fanoitra amin'ny fampandrosoana... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ary hitohy anio ny fikaonan-doha momba ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, andiany voalohany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin'ny Biraon'ny A6FM teo aloha sy ny Birao vaovao. Mangataka amin'ny fitondrana ny hampitomboana ny tetibola handraisana mpiasa vaovao ny sendikan'ny infirniera sy ny mpampivelona eto Madagasikara...

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

Ny feon'ny fieritreretana dia ny fandinihan-tena ao anatin'ny vavaka mba hivelomana ny tsara sy handosirana ny ratsy. Tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana ny lalàna ara-bakiteny ny fandinihan-tena fa mizotra mankany amin'ny fahalavorariana raha mitsinjo ny hafa. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra mibitsika mangina ao anatintsika. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...