Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9

♦ Nanome toky androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa hanaraka akaiky ireo raharaha mafampana mahakasika ireo Solombavam-bahoaka, ny andrim-panjakana izay tantanany... ♦ Tsy manan-kery ireo raharaham-pitsarana tsy atrehana sy tsy soniavin'ny mpirakidraharam-pitsarana. Mbola mitohy ny fitokona, hoy ny Sendika androany... ♦ Lohan'olona folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo Ambonin'i Tsiribihina. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa, ny Olobe avy any an-toerana...

♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...

Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...