♦ Hiatrika "Visite Ad Limina" any Rôma, ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra izao, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Hisy ny fotoana hihaonan'izy ireo amin'ny Papa François amin'izany... ♦ Nisy olona iray nosamborina, voalaza fa isan'ireo tompon'antoka tamin'ny fandorana ny ala arovana any Ambohitantely Ankazobe. Tsy maintsy hihatra ny sazy henjana ho an'ireo tratra minia mandoro ala, hoy ny Praiminisitra, androany... ♦ Nanao fitokonana fanairana nanomboka androany, ireo mpiasa ECD miisa 116, avy amin'ireo ivon-toerana manofana mpampianatra manerana ny nosy...

♦ Hanatanteraka ny visite Ad Limina apostolorum any Rôma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra 2022... ♦ Tontosa ny 12 ôktôbra 2022 ny fanokafana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny Sekoly Katôlika manerana ny Distrikan'i Betafo Antsirabe... ♦ Mankalaza ny faha-100 taona ny gazety-boky "Monde et Mission"...

Hanohana ny FAFIALA amin'ny fampiroboroboana ny sehatr'asa ataony indrindra fa ho an'ny lalam-pihariana landy ny Ministeran'ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nankalazana ny ivon'ny faha-30 taona nijoroan'ity foibe ity ny sabotsy 08 ôktôbra lasa teo teny amin'ny foiben-toerany teny Ambohimangakely, Distrika Antananarivo-Avaradrano.

♦ Miisa 179 ireo voafonja teny Antanimora no tsy afaka niatrika ny fitsarana, tao anatin'ny herinandro nanaovan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana fitokonana... ♦ Nidina ifotony nanentana amin'ny fanajana ny lalana sy niantso fitoniana ny OMC any Morondava manoloana ilay horonam-peo niparitaka, mivoy fandatsahana ain'olona... ♦ Nahetsika androany ny zandary 250, hanampy ireo olona 600 hamono afo any Ambohitantely Ankazobe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...