10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.

Ny vavaka : fifampiresahan'i Jesoa sy ny Rainy - resaka ifanaovan'ny Ray sy ny Zanaka mifankatia fatratra. Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak'Andriamanitra. Nianatra ny rijan-teny momba ny fivavahana tamin'ny reniny, ilay Virijiny. Nivavaka i Jesoa talohan'ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy, talohan'ny nampisehoan'ny Ray Azy tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

10 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siraka (Eklesiastika 17, 1-13)

Nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona.

Nataon’Andriamanitra tamin’ny tany ny olombelona, ary asainy hiverina amin’ny tany izy.
Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an’ny olombelona,
ary nomeny fahefana amin’ny zavatra ety an-tany izy.
Nomeny hery araka ny toetrany izy, ary nataony mitovy endrika aminy.
Nasiany fahatahorana Azy ny nofo rehetra,
ary nomeny fanjakana amin’ny biby amam-borona izy.
Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso, sofina sy fo hihevitra.
Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy; ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.
Nataony tao ampon’izy ireo ny masony, hanehoany amin’izy ireo, ny halehiben’ny asany
mba hiderany ny Anarany masina, amin’ny fitoriany ny zava-mahagaga amin’ny asany.
Nomeny azy ireo koa ny fahaizana, ary nampanana azy ny lalàn’ny fiainana Izy.
Nanao fanekena mandrakizay tamin’izy ireo Izy, ary nanambara ny didiny taminy.
Ny mason’izy ireo nibanjina ny famirapiratan’ny voninahiny;
ny sofiny nandre ny fikarantsan’ny feony mahatalanjona.
Ary izao no nolazainy taminy:

“Mitandrema tena ianareo amin’ny tsy fahamarinana rehetra”;

dia samy nomeny didy ny amin’ny namana avy izy ireo.
Eo anatrehany mandrakariva ny lalan’izy ireo;
tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 13-14. 15-16. 17-18a

Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy.

Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy!
Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika:
tsarovy tokoa fa vovoka isika.

Ny olombelona ve? Toy ny ahitra ny androny;
mba mamony toy ny vonin-javatra eny an-tsaha:
kanjo tonga ny rivotra, dia tsy misy intsony,
tsy fantatry ny toerany intsony!

Fa ny hatsaram-pon’ny Tompo
dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy
sy amin’ny dimbin’ireo,
amin’izay mitandrina ny fanekeny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.

Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:

“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”

Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...