08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.
Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
8 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona— Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
• 16 taona katroka androany ny fisian'ny tifitra nahafaty olona am-polony teny Ambohitsorohitra ny taona 2009... • Natao sorona ny vahoaka tamin'ny fitondrana azy nidina an-dalambe, ny 7 febroary 2009, hoy ny antoko MFM... • Namela takaitra maro ho an'ny Distrikan'i Toliara Faharoa, ny rivodoza Elvis farany teo...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco