“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
♦ Tsy resaka valifaty pôlitika no nataon'ny fitondrana ankehitriny fa ady amin'ny tsy maty manota, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra eny amin'ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly (PAC), anio tolakandro, ny Ben'ny tanàna Antananarivo renivohitra, Herilala Ramananttsoa... ♦ Tsy ho tanteraka ny fanorenana ifotony na ny fanovan-drafitra eto Madagasikara, raha toa ka tsy miainga avy any ifotony ny fanovana hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Audience générale : tsy misy tsara indrindra noho ny fiadanana ka ho kolointsika izany hoy ny Papa Léon-XIV...
Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mampiaka-peo ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny fikasan'ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA mitokona hanapaka jiro faobe. Hampitroatra ny mpanjifa ny firosoana amin'izany hoy ny PMH... ♦ Nosamborin'ny pôlisy omaly ny mpitarika ny sendika SMJ Andriamatoa Anmora Ratovomanarivo. Isan'ny anton'ny nisamborana azy ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka, ny fandranitana fankahalana olona, ny fanimbana fanana iombonana... ♦ Hanao adisisika hisian'ny teti-bola sahaza ho an'ny sehatry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany (OSCEAH)...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco