♦ Nandefa hafatra ho an'ireo tanora mpivahiny miatrika ny andron'ny tanora eran-tany andiany faha-10 tanterahana ao Antsirabe i Papa François. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny JMJ Mada andiany faha-10... ♦ Namitram-pihavanana tamin'ny vahoaka tao Ikongo omaly ny solontenan'ny fitondram-panjakàna tonga tany an-toerana. Mitaky fanadihadiana parlemantera, manoloana ity toe-draharaha ity, ny solombavambahoakan'ny distrikan'i Ikongo Razafitsiadraofa Jean Brunel... ♦ Nisy fiatraikany tamin'ny sehatr'asa atao amin'ny tetik'asa fametahana kavin'omby elektronika tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny fidinana ifotony nataon'ny fitantanana ankapoben'ny Fiompiana tany an-toerana...
01 septambra — Teraka tamin’ny faraparan’ny taonjato fahafito tao Athènes ka nankany Provence mba hanokatra trano fitokana-monina i Gilles izay nanandray ny anarana hoe Gilles du Gard, ary nodimandry tao izy ny toana 710. Ny lalana nandevenana azy dia lalana mankany amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.
Alakamisy 1 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11
♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny tolak'andro teo ny JMJ Mada X, tanterahana any Antsirabe. Tamin'izany no namakiana ny hafatry ny Papa ho an'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namitram-pihavanana tamin'ny vahoaka ao Ikongo androany, ny solontenan'ny fitondram-panjakna tonga tany an-toerana. Mitaky fanadihadiana lalina, manoloana ity toe-draharaha ity etsy an-kilany, ny Solombavam-bahoakan'ny Distrikan'Ikongo... ♦ Nanao hetsika fanairana androany, ireo mpiasan'ny orinasa CNAPMAD, noho ny tsy nandraisan'izy ireo karama telo volana izao...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco