♦ Milaza ny hanapaka ny jiro manerana ny nosy rahampitso ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA manao fitokonana. Mamory ny sasany amin'ireo mpiasa eny Soanierana ny mpitarika nanomboka ny antoandro teo... ♦ Miantso ireo tanora milaza ho diso fanantenana sahady amin'ny fitondràna amin'izao ny KIFAMA mba hahari-pery. Tsy vita ao anatin'ny andro vitsy ny fanarenana ny Firenena hoy ity fikambanana tanora ity, omaly... ♦ Nahafahana nitsitsy vola 2miliara mahery ny fandatsahan'orana artifisialy, raha ny tatitra nataon'ny Ministry ny angovo. Misy hoy izy ny paik'ady hitadiavana ny vahaolana maika ialàna amin'ny fahatapahan'ny herinaratra...
Misy hafatra miisa folo notsoahina tamin'ny tantaran'i Rainandriamampandry. 1-Meteza ho fototrolona. 2-Tiavo ny ankohonana. 3-Manolora tena ho an'Andriamanitra. 4-Loloavy ny tanindrazana. 5-Mitozoa amin'ny fianarana. 6-Tandrovy ny fahamarinana. 7-Mandalà fihavanana (adidy amin'ny havana sy ny fiaraha-monina). 8-Manàna tanjan-tsaina. 9-Mijoroa amin'ny maha-malagasy. 10-Miankìna amin'Andriamanitra. Rainandriamampandry dia olona nampisongadina ny soatoavina malagasy indrindra ny fanaovana ho zava-dehibe ny "fihavanana". Aza mitady ho vazaha fa mitoera ho Malagasy mandra-pahafaty...
Na loharanon'ny fiainam-panahy aza ny Litorjia dia tsy voafetra amin'izany ihany ny fiainam-panahy kristiana. Misy ny vavaka manokana, ny fandinihana masina, ny asa fiantrana, izay mitarika sy mivelatra avy amin'ny Litorjia. Ny mpino dia antsoina ho olon'ny Litorjia amin'ny fiainany manontolo. Ny fiainam-panahy dia tsy amin'ny fotoana fivavahana fotsiny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny JIRAMA rahampitso, ka hifamotoana eny Soanierana... • Mbola mitohy ny hetsi-pitakiana ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ka hetsika roa samy hafa no nataon'izy ireo androany... • Nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana an'i Madagasikara ny antoko AREMA...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco