Sabotsy 13 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15

♦ Natolotra ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina tamin'ny fomba ôfisialy androany, tany Vienne, Autriche, ny loka maha tompon-dakan'ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika na IDDA III, izay nokarakarain'ny ONUDI... ♦ Hanomboka amin'ny faran'ny taona ny tetikasa fampiasana angovo madio amin'ny fahandroan-tsakafo sy ny "Kit solaire" ho an'ny Malagasy hatrany amin'ny 3 tapitrisa, izay hanampian'ny OPEC FUND an'i Madagasikara...

♦ Nandefa taratasy fankasitrahana ho an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny 15 aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana ny faha-5 taonan'ny Diôsezin'i Maintirano... ♦ Nankahery ireo misiônera avy ao amin'ny Fiangonana ao Río Cuarto, Argenetine, ho any amin'ny Diôsezin'i Orán, ny Papa François...

Manana drafitra paik'ady enti-miasa mandritra ny dimy taona ny tambazotran'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny Réseau FARMADA. Naseho ampahibemaso ary natolotra an'ireo mpiara-miombon'antoka samy hafa ity drafitra taona 2022-2026 ity ny faha-29 jolay 2022...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...