11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.

Fanekena sy fanaovana izay heverina ho marina no atao hoe finoana. Ara-panahy dia fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an'Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitondrany sy ny fampanantenany : tsy hitan'ny maso, tsy takatry ny saina nefa tsapa fa misy sy marina. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alakamisy 11 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1

♦ Feno 31 taona androany ilay raharaha fitifirana vahoaka teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny tahan'ny fitomboan'ny mponina eto Madagasikara, araka ilay fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo, nataon'ny INSTAT... ♦ Tafakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...