♦ Tany tan-dalana i Madagasikara, ka tsy maintsy handray andraikitra manoloana ny fihetsika rehetra mety hiteraka korontana, ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Préfet an'Antananarivo, manoloana ny hetsika hataon'ny RMDM rahampitso eny amin'ny Magro... ♦ Gaboraraka ny fitrandrahana volamena, any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Betsika Ambilobe. 25 amin'ireo mpitrandraka sy mpanangom-bokatra miisa 200 ihany no ara-dalana... ♦ Hotanterahana any Antsirabe ny lalao Afrobasket 2022, sokajy vehivavy latsaky ny 18 taona raha toa ka eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena ny sokajy lehilahy...
Samy mandray anjara amin'ny maha-mpisorona, mpaminany, mpanjaka an'i Kristy ny vita Batemy rehetra. Samy manana ny andraikiny anefa izy ireo : ny mpiandry ondry, izay mpampianatra sy mpanamasina, ary ny vahoaka, mandray ny fampianarana sy mampihatra izany amin'ny fiainana andavanandro. Mila fanetren-tena izany. Tohin'ny fandaharana nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, momba ny endriky ny fiaraha-dia.
22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco