Ny marina feno fatra momba ny olombelona no ahafahana mihoatra an'ilay fomba fijery ny rariny ho "fifanarahana" ihany, izay fomba fijery voafetra ; ary mbola ahafahana manokatra ny sehatry ny firaisan-kina sy ny fitiavana hidiran'ny fahamarinana. Tsy ampy raha rariny fotsiny, mety ho tonga hatramin'ny hoe hitsipaka ny tenany aza izy, raha mikiry tsy misokatra mandray ny fitiavana izay manan-kery. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 22 jolay 2022 — Masimbavy Marie Madeleine — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-2. 11-18

♦ Andrasana eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan'i Rak Roots, nanomboka ny hariva teo... ♦ Tafatsangana androany ny vondrona pôlitika VPHM na Vondrona Pôlitika Hafa Miray. Nandiso fanantenana ny vahoaka hatrany ny olona nametrahany fitokisana hitondra ny firenena hatramin'izay, hoy ny fanambaran'izy ireo... ♦ Nilefitra, ka nampidina ho 600 Ariary ny saran-dalana ny Taxibe ao an-drenivohitra sy ny FMA sy ireo mpitatitra sasan-tsasany ao anatin'ny UCTU...

♦ Haranty any Nuremberg any Allemagne ny 26 hatramin'ny 27 jolay izao ny vokatry ny fambolena ara-biolojia malagasy. Ny vokatra malagasy izay efa ahitàna lalam-barotra any Europe, Etats-Unis ary Asie... ♦ Tantsaha 600 isan'andro mpamokatra ronono ao amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony no hisitraka tombotsoa amin'ny fihodinan'ny Toby fanodinana ronono ao Ibaoka, distrika Lalangiana. Foto-drafitr'asa hotokanana ny volana aogositra ho avy izao... ♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry alina tany Mahajanga i Rakotonirina Loïc na i RaKroots...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...