♦ Efa nivoaka an-dranomasina tany avaratr'i Toliara omaly sahabo tamin'ny 7 ora hariva ny rivodoza Batsirai. Mbola namela sisan-drahona mitondra rotsak'orana hatramin'izao... ♦ Nandravarava izay nolalovany, ary nametraka takaitra mafy teto Madagasikara ny rivodoza Batsirai. Olona 10 no namoy ny ainy, ankoatra ireo faharavàna samihafa... ♦ Namoaka hafatra fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina ny fivondronamben'ny Eveka...

Mba hananana ny faharetana eo am-panarahan-dia an'i Kristy dia Izy miantso no tsy maintsy atao ivon'ny fiainana sy ivon'ny fijery. Raha vao tsy izay  dia lasa manaraka olona hafa isika, lasa mampanjaka firehan-kevitra. Mampihendanja ny faharetana ny fijery ankoatra an'i Kristy. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

Alatsinainy 7 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56

 Amin'izao fotoana izao dia miaina ao anaty kolontsaina mifangaro isika, ka miezaka mitady zava-baovao sy mahaliana ny olona. Tsy ampy intsony ny fifanentanan'ny iray finoana. Maro ny olona roboka amin'ny zavatra hafa ka manadino ny antso fototra. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...