Alahady 6 febroary 2022 — Alahady fahadimy mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

♦ Hiditra an-tanety anio takariva, eo anelanelan'i Mahanoro sy Mananjary, ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 302 km, atsinanana somary avatra atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo... ♦ Mijery ny fomba rehetra hiahiana ireo mponina any amin'ny Faritra Vatovavy sy any Fitovinany ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miato avokoa ny asa fitaterana, zotra rezionaly sy nasionaly rehetra, nanomboka omaly, hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana, ho fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'izao fiavian'ny rivodoza izao...

Ny finoana no antoky ny faharetana. Manoloana ny fanenjehana hatramin'ny fanamelohana  ny mpianatr'i Kristy dia ambarany fa : "izay maharitra hatramin'ny farany no voavonjy" (Mt 11, 22). Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

Sabotsy 5 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...