♦ Hiverina anio alina ny fifamoivoizana any amin'ny lalam-pirenena faharoa... ♦ Miantso ny rehetra mba ho tony manoloana ny famatsiana solika ny Praminisitra Ntsay Christian... ♦ Miisa 36.657 ireo olona voatery nafindra toerana vokatry ny andro ratsy, ary tafakatra 35 ireo manty, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC farany... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity izay ho Filoham-pirenena vaovao any Italie...

♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

♦ Mitombo ny haavon'ny reniranon'Ikopa sy i Sisaony ary i Mamba, tao aorian'ny filazana loza mitatao omaly. Miantso ny mponina amin'ny Kaominina andalalovan'ireo renirano telo ireo ny tompon'andraikitra, hitandrina ary hiala amin'izany toerana izany... ♦ Mitaky ny hanohizana ny tetik'asa Base Toliara ny fiaraha-monim-pirenena ivondronan'ireo ray aman-dreny any Toliara... ♦ Tokony hapetraka eto Madagasikara ny fahefa-mividy manara-penitra, hoy ny mpahay toe-karena Rakotoson D...

Ny pretra dia olom-boahosotra mba hanamasina ny vahoakan'Andriamanitra. Izay manokan-tena dia mamela ny fiainan'izao tontolo izao. Ny fanokanan-tena dia fanandratan'Andriamanitra ilay voafidy. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...