♦ Fankatoavana maro no natao tanatin'ny filan-kevitry ny ministra notarihan'ny filoham-pirenena, anatin'zany ny fandraisan'ny fanjakàna ny fisahanana ireo hetra sy haba amin'ny fanafarana fitaovana amin'ny fanasoavana ny fiainam-bahoaka mivantana... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ny vondron'ireo sekoly tsy miankina, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly amin'ny alatsinainy izao... ♦ Efa manomboka mihena ny tahan'ny olona ahitàna ny tsimok'aretina Covid-19 eto Antananarivo...

Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

♦ Niakatra hatramin'ny 60 avo heny ny hetran-trano ao an-drenivohitra izay nofaritan'ny Kaominina Antananarivo. Mila fandinihana ny famaritana ireo tarehim-bola ho amin'izany, hoy ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy amin'ny lisitra Kombà, androany... ♦ Tsy tokony ataon'ny fintondrana resa-be hakana ny fon'ny vahoaka amin'ny fifidianana ilay raharaha famaizana tany Andekaleka, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ireo vondron'ny sekoly tsy miankina eto Antananarivo, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...