Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
♦ Niakatra hatramin'ny 60 avo heny ny hetran-trano ao an-drenivohitra izay nofaritan'ny Kaominina Antananarivo. Mila fandinihana ny famaritana ireo tarehim-bola ho amin'izany, hoy ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy amin'ny lisitra Kombà, androany... ♦ Tsy tokony ataon'ny fintondrana resa-be hakana ny fon'ny vahoaka amin'ny fifidianana ilay raharaha famaizana tany Andekaleka, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ireo vondron'ny sekoly tsy miankina eto Antananarivo, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly...
♦ Azo antoka ara-teknika tanteraka ny fitanterana an-taroby na ny teleferika, ary izy no fitanterana kely ny ambana amin'ny mety hisian'ny loza raha mitaha amin'ireo karazam-pitanterana hafa... ♦ Nisantaràna ny fizaràna masomboly avy amin'ny tetik'asa MIHONJO vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola ho an'ny faritra Anosy ny tao amin'ny kaominina Ifotaka distrika Amboasary-Atsimo... ♦ Harentsaina lehibe ny fiandohan'ny Malagasy ka namoaka boky momba izany ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco