♦ Faritra iray eto Madagasikara ihany no tsy nahitàna tranga vaovao amin'ny Covid-19. Nihena anefa ny tranga vaovao saingy nitombo ireo lavon'ny valanaretina... ♦ Hanohy ny fihaonana hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana miaraka amin'ny Vondrona Panorama anio ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMF... ♦ Namaritra toerana hivarotra eny amin'ny toerana fandehanana an-tongotra ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
Solon-tenan'Andriamanitra sady solon-tenan'ny fikambanana ary solon-tenan'ny Eglizy ny lehibem-pikambanana hekena. Satria mety ho diso ihany ny lehibe eo amin'ny baiko omeny fa tsy ho diso kosa ny mpikambana manaiky ny baiko, raha atao araka ny lalàm-panorenana izany rehetra izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alatsinainy 10 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
Ny Lalam-panorenana no mandrafitrany toe-piainan'ny mpikambana tsirairay. Tokana ny lalam-panorenana, izay iainana sy halalinina ao amin'ny "novisia". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco