♦ Natomboka ny 5 janoary teo ny dinik'asa fanomanana ny JMJ andiany faha-10, izay hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Manentana ny mpino rehetra maneran-tany ny Papa François, amin'ity volana janoary ity, hivavaka ho fanoherana ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana... ♦ Nirary soa mba hisian'ny fiadanana ka hamirapirataran'i Kristy eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana ao amin'ny Eglizy Tatsinanana, mankalaza ny Noely andorany, ny Papa François...

Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

♦ Mitaky ny hametrahana ny Vaomieram-pifidianana mahaleo tena sy Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tsy mitanila ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, Filohan'ny RMDM... ♦ Mbola tsy hita hatramin'izao ny kapitenin'ilay sambo rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Soanierana Ivongo ny 20 desambra lasa teo. Loza izay namoizana ain'ilona 80 mahery... ♦ Voahazona am-ponja vonjimaika any Bénin kosa Andriamatoa Arizaka Raoul, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. An-dalana ny fampodiana azy eto Madagasikara...

♦ Ahoana no nandraisana ny taona vaovao sy ny votoatin'ireo firarian-tsoa nifanaovana tamin'izany ? ♦ Famantarana sy ny fomba iainana ireo soatoavina kristianina mandritra ity taona ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...