Alahady 5 desambra 2021 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 1-6

Ny zaza dia tsy mahavita mamaritra ny aretina mahazo azy, ireo ankizy enina taona mihoatra kosa dia mahavita miteny ny olany ara-pahasalamana. Ny aretin'andoha dia fanaintainana re vokatry ny fibontsonan'ny lalan-dra na fikaikon'ny hozatra amin'ny faritry ny loha. Antony mahatonta ny aretin'andoha: fanaviana, fidinana na fiakaran'ny tosi-dra, olan'ny maso, tsy ampy torimaso, fahalotoan'ny rivotra, lalan-dra tsentsina...

♦ Manahy kolikoly momba ny fitsinjaràna ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso ny fikambanan'ny mpianatra avy any Bongolava. Misy amin'ireo afaka bakalôrea taona 2017, mbola tsy nahazo trano... ♦ Mahatsiaro iharan'ny tsindri-hazolena ara-pitsaràna ireo mponina maherin'ny 3 000 any Belambo - Toamasina II. Mbola voatana eny Tsiafahy ny naman'izy ireo... ♦ Nampanantenaina ho amboarina ny RN 41 Ambositra-Fandriana. Manantena ny mponina hoy ny Solombavambahoakan'i Fandriana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...