♦ Vita sahady ny maraina teo ny famindram-pahefana teo amin'ny praiministra teo aloha sy ny vaovao. Nandao ny Lapan'i Mahazoarivo Andriamatoa Ntsay Christian, rehefa lehiben'ny Governemanta nandritra ny 7 taona sy 3 volana... ♦ Miantso ny antoko politika rehetra hanatevina ny tolona ny Génération Z. Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena indray izy ireo ny maraina teo, taorian'ny fitsipahana ny fanendrena Praiministra, alina... ♦ Mitaky ny hanarenana ny lafiny sôsialiny ireo mpampianatra amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao. Tokony averina amin'ny Ministeran'ny fanabeazana ny teti-bola 200 miliara Ariary, nomena ny JIRAMA hoy izy ireo...
Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.
♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...
Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco