♦ Tsy marina ny vaovao niely tamin'ny tambazotra serasera fa misy ny didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga, raha ny nambaran'ny PAC tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly... ♦ Tontosa ny sabotsy teo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey Analakely ny lanonana nisaorana ny vahoakan'Antananarivo sy i Madagasikara manontolo, noho ny fahavitan'ny tolom-bahoaka... ♦ Manamboninahitra miaramila entitra manana fahitsiana sy fahamarinana no tokony ho tendrena ho praiministra hoy ny jeneraly Jean Alfred... ♦ Tsy voahaja sahady ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny Hamas sy ny tafika Israeliana...

---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.

Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

lahady faha-29 mandavantaona — D — Mahareta hanana ny soa. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aoka ho lavorary ny olon’Andriamanitra ary ho vonona amin’ny asa soa rehetra. Ny evanjely eto dia miresaka toro-hevitra momba ny fivavahana, manazava ny saina manoloana ny fanontaniana saro-balina. Be fitiavana Andriamanitra ary mihaino mandrakarivana ny fitarainan'ny olona Izy. Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny mivavaka ho an'ny hafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...