Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...

Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Raharaha anenjehana azy ny fikasàna hanao hetsika fanakorontanana sy fanonganam-panjakàna... ♦ Isan'ny nampandringa ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara ny tsy fananan'ny rehetra sehatra ahafahana mandray anjara sy manolo-kevitra momba ny raharaham-pirenena. Antony mahazava-dehibe ny hametrahana ny Filan-kevitra ara-toekarena - sôsialy ary kolontsaina hoy ny ROHY... ♦ Mitaky ny handoavana ny tambin-karama momba ny fitsaharana amin'ny asany ireo miaramila efa misotro ronono...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...