♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...
Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa...
♦ Mila lalana mafy sy mateza ary manaraka ny fenitra isika, mba tsy hanamboatra lalana foana isan-taona, hoy ny Filoham-pirenena androany maraina, raha nijery ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, any Toamasina... ♦ Nampanantena fanafainganana fomba fiasa amin'ny fanamboarana ireo lalam-pirenena, izay tena avokavoky ny fampandrosoana ny firenena, ny Ministra vaovao misahana ny asa vaventy...
Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco