Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 7-10)
Anaka,
aza mety hofitahin’olona ianareo,
fa izay manao ny marina ihany no marina
toa Azy marina koa.
Izay manota dia avy amin’ny demony,
fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony.
Ary ny handrava ny asan’ny demony
no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra,
sady naterak’Andriamanitra izy
ka tsy mahazo manota.
Amin’izany no ahafantarana
izay zanak’Andriamanitra
sy izay zanaky ny demony.
Izay rehetra tsy manao ny marina
dia tsy avy amin’Andriamanitra,
toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 7-8. 9
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Aoka hidoboka anie ny rano,
ny ranomasina sy ny mponiny!
Ka hitehaka anie ny ony ;
hitotorebika koa ny vohitra!
Mba hitsena ny Tompo tamy
hitsara ny olona tsy an-kanavaka:
ary hitsara ny firenena
am-pahamarinana sy ara-drariny.
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe..
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)
Taorian’ny batemin’i Jesoa,
dia mbola teo koa i Joany Batista
sy mpianany roa lahy;
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:
“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.”
Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:
“Inona no tadiavinareo?”
Ary hoy izy ireo taminy:
“Raby,
(izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”
Dia hoy Izy taminy:
“Avia fa ho hitanareo.”
Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.
I Andre, rahalahin’i Simôna Piera,
no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany
ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe:
“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy raha adika).
Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:
“Ianao no Simôna, zanak’i Joany;
hatao hoe Sefasy ianao”, izany hoe, Piera.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 29 — 3, 6)
Ry malala,
raha fantatrareo fa marina Andriamanitra,
dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina
dia zanany naterany.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika
amin’ny iantsoana antsika hoe:
zanak’Andriamanitra,
sady tena izany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy
dia manadio ny tenany,
mba ho madio tahaka Azy.
Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna,
satria ny ota dia fandikana ny lalàna.
Fantatrareo anefa fa Izy no niseho
dia mba hanala ny fahotana;
ary tsy mba misy ota ao aminy.
Izay rehetra mitoetra ao aminy,
dia tsy mba manota;
ary izay manota
dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 3de-4. 5-6
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
He zahao e, ry vazan-tany,
izato Vonjin’Andriamanitra.
O, ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana.
Ndao antsao amim-baliha ny Tompo,
anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara,
enti-midera ny fiandrianany.
Aleloia. Aleloia.
Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)
Nony nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany Batista
dia nanao hoe:
“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra;
indro ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy ilay nantsoiko hoe:Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano.”
Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:
“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra
toy ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina
sy hitoerany eo amboniny
no ilay manao Batemy amin’ny Fanahy Masina.Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 22-28)
Ry kristianina havana,
iza no mandainga raha tsy izay mandà
fa i Jesoa no i Kristy?
ary ny antikristy dia izay mandà
ny Ray sy ny Zanaka.
Izay rehetra mandà ny Zanaka,
dia tsy manana ny Ray koa;
fa izay manaiky ny Zanaka ihany
no manana ny Ray.
Koa aoka hitoetra ao anatinareo
izay renareo hatramin’ny voalohany.
Fa raha mitoetra ao anatinareo
izay renareo hatramin’ny voalohany,
dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
Ary ny zavatra nampanantenainy antsika
dia ny fiainana mandrakizay.
Nanoratra izany ho anareo aho,
ny amin’ireo manangoly anareo.
Ary ianareo,
ilay fanosorana noraisinareo taminy
no mitoetra ao aminareo,
ka tsy mila hampianarin’olona ianareo,
fa izany fanosorana izany
no mampianatra anareo ny zavatra rehetra,
ary marina fa tsy lainga ny fampianarany,
ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy,
mba hanan-toky isika rahefa miseho Izy,
fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra
amin’ny andro hahatongavany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany,
izao vonjin’Andriamanitra.
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana.
Aleloia. Aleloia.
Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)
Izao no nambaran’i Joany Batista
raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:
“Iza moa ianao?”
Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:
“Tsy i Kristy aho.”
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:
“Iza àry? i Elia va ianao?”
Fa hoy izy.
“Tsy izy aho.”
Dia hoy ireo:
“Ilay mpaminany va ianao?”
Fa hoy ny navaliny;
“Tsia.”
Ka hoy izy ireo taminy.
“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”
Dia hoy izy.
“Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.”
Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:
“Nahoana àry ianao
no manao batemy raha tsy i Kristy?
na i Elia, na ilay Mpaminany?”
Ka novalian’i Joany hoe:
“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.”
Tany Betania an-dafin’i Jordany
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanisana (Fan 6, 22-27)
Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe:
Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo,
dia hanao aminy hoe:“Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo.
Hampamirapiratra ny tavany aminao
sy hamindra fo aminao anie ny Tompo.
Hanandratra ny tavany aminao
sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”.Dia izany no hametrahany ny Anarako
amin’ny zanak’i Israely,
ary Izaho hitahy azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8
Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hitan’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny,
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal 4, 4-7)
Ry kristianina havana,
rehefa feno ny andro,
dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany,
nateraky ny vehivavy,
sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,
mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna,
sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
Ary noho ny maha-zanaka anareo,
dia nirahin’Andriamanitra
ho ao anatin’ny fonareo
ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe:
“Abà, Ray!”
Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo,
fa zanaka,
ary rehefa zanaka,
dia mpandova koa,
noho ny ataon’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)
Tamin’izany andro izany,
dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry
ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely
mandry amin’ny fihinanam-bilona;
ary rehefa nahita izy ireo,
dia nampiely ny teny nolazaina taminy
ny amin’izany Zaza izany.
Ary izay rehetra nandre
dia gaga avokoa
tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy;
fa i Maria kosa
nitadidy izany zavatra rehetra izany,
ka nieritreritra azy tao am-pony.
Ary nody ny mpiandry ondry
nidera sy nankalaza an’Andriamanitra
noho ny zavatra reny sy hitany,
araka izay nolazaina taminy.
Ary rehefa afaka ny havaloan’andro
ka hoforàna ny Zaza
dia natao hoe Jesoa no Anarany
araka ilay nataon’ny Anjely
fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco