Aretina efa nisy ary mbola misy ny takilo-drano, ary nisy ny hetsika entina hiadiana amin'izany tamin'ireo Distrika 19 manerana ny nosy tamin'ny alalan'ny fizaràna fanafody. Ny hetsika nasiônaly dia naharitra 5 andro ka nanomboka ny 12 mey hatramin'ny 16 mey 2025. Ny takilo-drao dia aretina vokatry ny kantsetsitra "kankana fisaka amin'ny karazana Schistosoma". Miaina sy mifindra amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny ranomamy misy ireo bibikely ireo, izay ahafahan'ny sifotra mamoaka ireo kankana ireo.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦Manohana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny Fanjakàna. Hitondra fampandrosoana maharitra ho an'i Toliara sy ny firenena ny orinasa Base Toliara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny teo amin'ny kianja Maître Kira... ♦ Mitondra ny hetahetany amin'ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena momba ny olana mahazo azy, ireo tantsaha niofana tao amin'ny Oniversite natokana ho azy ireo, tantanan'ny FORMAGRI... ♦ Misaona ny tontolon'ny fitantanan-draharaha-panjakàna eto Madagasikara, nodimandry ny alakamisy teo i Gervais Rakotonirina, administrateur Civil, ministry ny atitany teo aloha...
♦ Mamaha olana ireo vehivavy tanora amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra ny fiofanana atolotry ny Ivon-toerana misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy ao amin'ny FMA eny Ampasanimalo. Maherin'ny 40 mirahavavy indray omaly no nahavita fiofanana no notolorana mari-piofanana... ♦ Notoloran'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fampitaovana mitentina 206.000 Dôlra ny Ivon-toeram-panofanana mampiofana Paramedy IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Nankalaza ny andron'ny vilona teny Tsaratanàna Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo omaly ny MDB niaraka tamin'ny tetik'asa Profilait. Ahazoana ronono 30litatra/andro ny fampiasana vilona ampy sy tsara kalitao...
Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco