Ny Fulgence tsarovana amin'izao 14 janoary izao dia ilay hoe Fabius Claudius Gordianus Fulgentius, teraka avy amin'ny fianakavian'andriana tamin'ny taona 458 tao Fériana ao Tunisie izy. Mbola kely izy no nisaraka tamin'ny rainy ka ny reniny no nanabe azy.

Ny fahafahana mibanjina dia tahaka ny "sira" manome tsiro ny fiainana : manome tsiro ny tontolo andro ; satria afaka mibanjina amin'ny alalan'ny fahitana, sy ny fandrenesana famakiana boky.  Ny mibanjina dia "tsy fomba fiasa" fa "fomba fiainana"... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Tany amin'ny 475 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay rivo-doza Dikeledi tamin'ny 3 ora tolak'andro teo...
  • Miantso ny vahoaka Malagasy sy ireo mpisehatra pôlitika hiandry amim-pitoniana ny fivoahan'ny voka-pifidianana ôfisialy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin...
  • Raharaham-pitsaràna miisa 51 no niakatra Fitsaràna androany teny amin'ny tribonaly misahana amin'ny ady amin'ny fanjakàna, isan'izany ny fitoriana nataon'ny kandidà Tojo Ravalomanana ny kandidàn'ny IRMAR Herilala Ramanantsoa...
  • Nandefa Telegrama nosoniavin'ny Kardinaly Pietro Parolin any amin'ny Arsevekan'i Los Angeles Mgr José Gomez i Papa François, manoloana ny firehetan'io tanàna io ankehitriny...

  • Mivoatra tsikelikely ka nitombo hery indray ao amin'ny lakandranon'i Môzambika ilay rivo-doza Dikeledi ; tany amin'ny 370 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foibeny ny maraina teo...
  • Misy banky mamporisika ireo mpanangom-bokatra sy ny tantsaha hanafim-bary hoy ny Federasiôn'ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa F3M. Nilaza ny nanao fanadihadiana momba izany izy ireo...
  • Mirongatra hatrany amin'ny faritra maro ny doro tanety ankehitriny. Nirehitra ihany koa omaly ny ala ao Bezavo Taolagnaro. Trangan'afo 6 no noezahina nofehezina any amin'ny Faritra Anôsy...
  • Efa manakaiky ny fialàn'ny filoha amerikàna am-perinasa Joe Biden. Nanao veloma amin'ny lafiny pôlitika ity filoha ity, mialohan'ny hialàna eo amin'ny fitondràna...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...