• Tokony ho nohadihadiana teny amin'ny PAC sy ny Bianco androany Ramatoa Annick Ratsiraka. Nilaza ny tsy hamaly izany fiantsoana azy izany izy, raha ny nambaran'ny fampahalalam-baovao sasany... • Misy mpandraharaha vahiny manafatra menaka efa akaiky ho lany daty eto aminstika, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso ny mpanjifa hitandrina, mialoha ny hividianana ireny entana nafarana ireny, ity fikambanana ity androany... • Nihaona teny Iavoloha androany ny Filoham-pirenena sy ny solontenan'ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Tsy hisy fandroahana mpiasa, mijanona ho fananam-panjakana zato isan-jato ny Jirama, hoy ny Filoha...
♦ Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro momba ny fitantanana ny talen-tsekoly katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nodinihana nandritra ny fiofanana koa ny hamokarana boky fampianarana fiteny frantsay ho an'ny sekoly katôlika manokana... ♦ Manatanteraka ny diabe am-bavaka fanao isan-taona andiany faha-17 Tanà-Moramanga ny Pretra Carmes. Lohahevitra itondrana izany ny hoe "Mpivahinin'ny Fanantenana toa an'i Mompera Sergio, tarihan'i Masina Maria... ♦ Hapetraka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny ben'ny tanàna vaovao ao amin'ny kaominina Ilakatra-Vohipeno. Tsy manaiky ny fanalàna ny ben'ny tanàna efa niasa ny mpomba azy...
Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Manavao ny lasi-panofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao ny vokatra azo... ♦ Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro hanomboka anio ny Faritra Atsimo-andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... ♦ Tratehaky ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany tety Ivato ny tambazotra mpanao trafikan-jaza alefa any ivelany. Nokasaina haondrana any Gabon ny zazavavy kely vao 8 volana...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco