18 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

• Hitohy hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny nosy, ato anatin'ny telo andro manaraka... • Tsy resy na nandefitra ny sendikan'ny Seces, fa nanova fomba fiady amin'ny fitakiana izay efa natombony... • Nanao diabe nilanja sorabaventy ary nanatona ny Ben'ny Tananan'Imerintsiatosika androany, ireo mponina manana tany voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro...

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

  • Nodimandry tampoka ny ben'ny tanàna vaovao any amin'ny kaominina Karianga, distrikan'i Farafangàna. Fahafatesana nitranga ny ampitson'ny nahavitan'ny famindram-pitantanana...
  • Miato ny fampianarana amina CISCO miisa telo eto Antananarivo, noho ny fiakaran'ny rano. Voasokajy ho faritra mena amin'ny rano miakatra ny faritra Analamanga, nanomboka ny faran'ny herinandro teo...
  • Tsy mitsahatry ny mihatsara ny kalitaon'ny fandraisana etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nitombo 14% ny isan'ny mpandeha noraisina tamin'ny taona 2024 iny...
  • Hisy ny fihaonana tsy ho ela eo amin'ny filoha amerikanina Donald Trump sy ny filoha rosianina Vladmir Poutine. Fihaonana mety hampitsahatra ny ady any Ukraine...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...