12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.
Miseho matetika tamin'ny fiainan'i Jesoa ny vavaka ho an'ireo sakaizany ; tena Mpampianatra sy sakaiza i Jesoa ka vonona miandry am-paharetana ny fibebahan'ny mpianany. Manambara amin'ny fiteny manaitra ny saina ny Taratasy ho an'ny Hebrio ny amin'ny hoe : ahoana ny vavak'i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena ." ... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
12 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco