♦ Nandiso ny feo mandeha amin'ny fisian'ny mpanam-bola manohana ny vovonana Mouvement Gasikara, ny Solombavam-bahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Mitohy ny ezaka ataon'ny JICA sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, amin'ny alalan'ny tetikasa tantsoroka ho an'ny fitantanana sekoly, na ny TAFITA... ♦ Hotanterahana ny 5 hatramin'ny 7 nôvambra 2024, eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny fiadiana ny Tompondakam-pirenena eo amin'ny taranja ady totohondry...
Ny “temps de la création 2024" (Manantena sy mandray andraikitra miaraka amin’ny voahary rehetra) dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Laudato Si’. Isan’ny manamarika izany isika eto Madagasikara ary efa eo am-pametrahana ny Mouvement Laudato Si’. Amin’izao dia efa manana mpanentana Laudato Si’ eo amin’ny 60isa i Madagasikara izay miparitaka amin’ny diosezy maromaro. Hampivondrona ireo rehetra misehatra eo amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, indrindra ny eo anivon’ny Fiangonana Katolika no tanjona voalohany mba hahazoana vokatra mivainga sy miantraika amin’ny rehetra.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
♦ 102 amin'ireo antontan-taratasy maherin'ny 270 naroson'ny Mouvement Masikara, ho kandidà Ben'ny Tanàna, no neken'ny OVEC... ♦ Tombanana ho roa hatramin'ny dimy, ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana eto Madagasikara, raha ny vinavinan'ny Météo malagasy... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly. Kendrena hatolotra ny 9 desambra izao izany...
Masina Maria dia manolotra ny tenany manontolo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra ary namela Azy hifehy ny fiainany ; porofon'izany ny valin-teny nomeny an'Andriamanitra "Inty aho ankizy vavin'ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao". Masina Maria dia miahy ny fahoriantsika zanany sy manohy ny fifonana ho antsika mpanota mahantra ankehitriny sy amin'ny ora hahafatesantsika... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco