♦ Manainga antsika Malagasy tsy misy fanavahana mba samy hisalotra ny hambompom-pirenena amin'ny fitakiana ireo nosy Malagasy ny Sendika SECES... ♦ Tsy maintsy nopotehina sy nodorana ireo menaka 56 baoritra ahitàna tavoahangy 672 isa tratra tany Antsirabe, izay voamarina fa tsy azon'olombelona hohanina... ♦ Mitohy ny angaredona amin'ny fikarohana ilay sambo A.W, izay tsy hita efa ho telo herinandro izao... ♦ Mavesatra ny vokatry ny tondra-drano any Texas, farafahakeliny 78 ireo maty. 27 ireo tovovavy mbola tsy hita popoka...
Lalan-kizorana hahatongavana any amin'ny "antso loloha lanitra" ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy ny fananana hatsaram-panahy. Tsy ezaky y nofo aman-dra no hahazoana io fahamasinana io fa fahasoavan'Andriamanitra izay mifototra indrindra amin'ny hatsaram-panahy. Olom-boafidin'Andriamanitra isika ka tsy maintsy mitafy famindram-po... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Adidy lehibe napetrak'Andriamanitra amin'ny olombelona dia ny fiarovana sy ny fikolokoloana ary hitahiry ny aina. Ny tompon'andraikitra eo amin'ny firenena iray dia miaro ny aina amin'ny fomba sy fitaovana rehetra, tsy manitsaka ny fiveralan'ny rohy-voahary. Ny adidy faharoa dia ny asa ; adidy iombonana ny mitory ny rariny sy ny marina. Ny saina dia fitaovana entina miaro ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco