Ny vavaka dia loharanon'ny fahamasinana sy ny asa fanirahana. ; hoy i Jesoa (Jn 15,5) " raha tsy Izaho dia tsy mahefa inona na inona ianareo". Amin'io toko faha 15 io Joany dia milaza mazava fa i Jesoa no Foto-boaloboka ary ny Rainy no mpamboly. Izy no loharano ipoiran'ny fiainana sy ny fitomboana ara-panahy ; izany no mitory ny fifandraisan'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
30 nôvambra 2024 — Masindahy André, Apôstôly — Fety— Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 4, 18-22)
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco