29 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

  • Nitondra fanazavana momba ny hanokafana ny fitrandrahana ataon'ny orinasa Base Toliara, ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany, androany...
  • Miroso ny fahazoana paik'adim-pirenana vaovao, hiadiana amin'ny kolikoly. Handeha ny fanoratana farany izany, mialoha ny hamoahana azy amin'ny fiandohan'ny taona 2025...
  • Nampiaka-peo ny ny Kômity Olimpika Malagasy momba ny fiaraha-miasa amin'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Tsy nahazo fanampiana ara-bola ireo filohana federasiôna, efa telo taona izao...

  • Nihaona tamin'i Papa François, omaly, ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Fabien...
  • Hanohy ny asany tsy ho ela ny orinasa Base Toliara. Nofoanan'ny Fanjakàna ny fampiatoana ny asa fitrandrahana nataon'ny orinasa tamin'ny taona 2019...
  • Ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron'i Mania rahampitso Zoma. Mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha andavan'andro izany amin'ireo toerana mora tondraka. Entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika homen'ny manam-pahefana hoy ny Météo Madagasikara...

Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...