♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ireo OVEC manerana ny nosy omaly. Voatana avokoa ireo kandidà fito, ho an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Voafonja enina no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin'ny fonjan'i Mananjary, tato anatin'ny iray volana sy tapany... ♦ Niato ny fampandehanana ny pipeline an'ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny alakamisy teo. Nisy ny tsy fahatomombanana tampoka tamin'izany fantsona izany, hoy ny tompon'andraikitra...
Rehefa nandray ny filazan'ny Anjely i Masina Maria dia nandeha nizara izany tamin'i Elizabeta rahavaviny. Nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy azy izy fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Vavaka fisaorana an'Andriamanitra, tsotra ary feno fanetrentena lalina, feno fiontanam-po sy aingam-panahy no nataony. Mahita ny fahasahiranantsika i Masina Maria ary manampy antsika amim-bavaka... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
1 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco