30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.
Ny hevitry ny hoe : Mpaminany dia hoe "mitory ny vaovao mahafaly, mitory ny tenin'Andriamanitra". I Jesoa dia mpaminany lehibe fa Izy no nanambara ny Fanjakàn'ny Rainy, tsy tamin'ny teniny ihany fa tamin'ny toe-piainany ihany koa. Tsy ireo mpandraharaha masina ao amin'ny Fiangonana ihany akory no mpitory teny fa ny Lahika ihany koa amin'ny alalan'ny finoana noraisany, vokatry ny toriteny... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.
Ireo mpisoron'i Kristy na ny Pretra na ny Eveka dia mandray anjara feno amin'ny fisoronan'i Kristy ilay Mpisoron'ny Avo indrindra, manolotra ny mofo sy divay ho Sorona velona sady masina hasandratra amin'Andriamanitra Ray. Ny asa rehetra atao dia vavaka fa iaraha-miasa amin'Andriamanitra ; ary tsy izay ihany fa ny fiainana manotolo koa dia vavaka. Izao tontolo izao dia tokony atolotry ny lahika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco