♦ Nambaran'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina fa tetika pôlitika efa voahomana iny hetska "Leo delesatazy" izay nivadika fanakorontanana sy fandrobàna iny ; noesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Angovo, Jean Baptiste Olivier... ♦ Nodimandry omaly zoma ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky-Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Voahosin'ny camion teny Andoharanofotsy ny tenany, raha nandeha nijery ny zava-nisy tamin'ny hetsika "Leo delestazy" ny alakamisy hariva teo... ♦ Namoaka fanambaràna ny fivondronamben'ny Eveka sy ny FFKM, manoloana ny hetsika nitarika korontana nahafatessana olona sy nahasimbàna zavatra maro...

Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

• Manoloana ny zava-nitranga teto amin'ny firenena omaly, dia nisy fanambarana entin'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny FFKM, izay manameloka ny herisetra sy ny fifampihantsiana, ary mitaky ny hisian'ny fifampiresahana... • Mitaky ny femetraham-pianan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary manome fe-potoana ho azy ireo hatramin'ny alatsinainy tolakandro hanaovana izany, ny vovonana HIFFIM... • Tsy manakana ny fanehoan-kevitra na ny hetsika politika ny Sendika Mahaleotenan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, fa miantso ny mponina kosa mba tsy hanimba ny fananana iombonana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...