17 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)
♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...
♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco