15 febroary 2024 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
♦ Nitombo be ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Ny tanora, indrindra ny zatovovavy 17 hatramin'ny 25 taona, no maro voan'izany... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny adisisika hiarovana ny vidin'ny lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny Fandaharan'asa CIR (Cadre Intégré Renforcé)... ♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Frantsa. Isan'izany ny fanofanana miaramila, misy koa ny fanazaran-tena iarahana amin'ny FAZSOI...
♦ Nahatratra 13 isa ireo trangana fanolanana niseho nanerana an'i Madagasikara hatramin'ny volana janoary no nakaty, tranga izay feno habibiana ny ankamaroany ary misy no miafara hatramin'ny fahafatesan'ilay niharam-boina hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Miisa 20 isa amin'izao ireo olona voamarina fa misandoka ny asan'ny infirmier, sady tsy manana ny fahaiza-manao no tsy manana marim-pahaizana mifandraika amin'izany, raha ny hita tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny holafitra... ♦ Hanarina ny fahatarana tamin'ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena tato anatin'ny 60 taona ny fitondrana hoy ny filoha Rajoelina Andry raha nandray fitenenana tamin'ilay fihaonana an-tampon'ny governemanta maneran-tany any Emirat Arabes Unis ...
Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco