♦ Hanao laharam-pahamehana ny sôsialim-bahoaka sy ny fananganana orinasa, amin'izao fe-potoana faharoa hitondrany ny firenena izao, Andriamatoa Andry Rajoelina. Hitsinjo ny marefo ihany koa izy, ary hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Manaiky ny voka-pifidianana Filoham-pirenena navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ireo mpiara-miombona antoka amin'i Madagasikara. Vonona hiara-miasa amin'ny filoha voafidy izy ireo araka ny fanambarana niombonan'izy ireo...
♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
♦ Lany ho Filoham-pirenena hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny 5 taona ho avy indray, Andriamatoa Rajoelina Andry, araka ny didy navoakan'ny HCC... ♦ Olona 10 hatramin'ny 15 isan-kerinandro no manao ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA, eny amin'ny Hôpitaly Befelatanana... ♦ Mbola nisy asan-dahalo nitranga tany amin'ny Distrikan'i Mandoto tamin'ity herinandro ity, na dia efa any an-toerana manao hetsika manokana aza ny mpitandro ny filaminana...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco