♦ Nametraka fitoriana teny amin'ny HCC androany, ny antoko HVM, mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny Filoha amperin'asa... ♦ Namoaka fanambarana miantso amin'ny hiarovana ny fitoniana sy ny fisorohana krizy eto Madagasikara, ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy na ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...

Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...