Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
♦ Nahetsika ary handray fepetra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ho an'ireo izay hanatanteraka hetsika tsy nahazoana lalana. Mihatra nanomboka androany hatramin'ny zoma izao izany, hoy ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Miisa 28 ireo nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC Ambohidahy, hatramin'ny 6 ora hariva teo, fotoana nifaranan'ny fametrahana izany... ♦ Mbola nirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena, ny Filoha amperin'asa Andry Rajoelina. Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ary tsy hanohana kandidà kosa ny antoko RCR miaraka amin'ny Laza Razafiarison...
♦ Tafakatra 19 isa, hatramin'ny 11 ora atoandro teo, ny isan'ireo nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenena... ♦ Hijery akaiky ny raharaha ara-potolitka eto Madagasikara indray, manomboka izao, ny eo anivon'ny OIF taorian'ny fanaraha-maso ny fanomanana ny fifidianana izay nataon'ny iraka manokana. Azo antoka hanatanterahana ny fifidianana hoy izy ny lisitry ny mpifidy... ♦ Mihena hatrany amin'ny 98% manomboka izao ny hetra haloa eny amin'ny fadin-tseranana rehefa hanondrana entana any Chine ny mpandraharaha Malagasy... * Lasibatry ny fandalovan'ny rivodoza indray i Bresil. Miisa 21 hatramin'izao ny voamarina fa namoy ny ainy...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco