14 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo — Taona tsy ankasa — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)
I Jesoa Kristy no teny tonga nofo ary nofo tonga mofo, izy ilay voa nafafy, ilay raisina ao amin'ny Eokaristia. Ny Kristiana vita batemy no tany hamafazana izany Eokaristia izany, izay miaina ny finoana sy ny fanantenana. Ny mpino dia azo hambara ho tany lonaka, indrindra raha mazoto mandray Kôminio sy ny sakramentan'ny fampihavanana. Ny fitiavam-bavaka sy ny asa fihatrana ary ny fitiava-namana no hendriky ny rano entina hanondrahana ny finoana mba hivelatra.
Ny fifandraisan'ny asa sy ny vola dia hadisoan-kevitra ihany satria ny asa no talohan'ny vola. Ny vola dia vokatry ny asa. Rehefa manao ho zava-dehibe ny vola dia lasa andevon'olona isika. Ny fianakaviana masina dia efa nivelona tamin'ny asa fa tsy tamin'ny alalan'ny fangatahana teny amorondalana. Andriamanitra dia manandratra ny asa-tanana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
13 aogositra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco