Ny votsy dia mifindra amin'ny olona iray amin'ny alalan'ny fifampikasohana, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo sy tsy ampy hery fiarovana ; ny sokajin-taona ankizy sy ny tanora no tena betsaka misy votsy ary mety aharitra taona vitsy no hitondra azy. Tsimok'aretina no mahatonga ny votsy izay ao anatin'ny fianakaviambe ny "papillomavirus humain". Misy karazany maro ny votsy ary mety ho hita amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana : hoditra, aty vava, amin'ny taovam-pananahana...
♦ Hihaona amin'i Papa François ao Vatican ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny alakamisy ho avy izao. Isan'ny nambarany tamin'ny fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy omaly izany... ♦ Andrasana ao Antsiranana ny fahatongavan'ny afon'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasina indiana. Tontosa omaly tatsy amin'ny nosy Maorisy ny lanonana famindrana ny afo ho an'i Madagasikara... ♦ Velon-taraina amin'ny haratsian'ny lalana amin'ireo kaominina miisa 5 amin'ny ilan'ny atsinanan'ny distrikan'Antsirabe-II ny tantsaha sy ny mpandraharaha ary ny mpitatitra ny vokatra amin'ireo kaominina ireo... ♦ Tsy eken'ny rosiana tanteraka ny fikasan'ny CEDEAO hampiasa hery amin'i Niger...
♦ Hotanterahana ny 29 hatramin'ny 31 aogositra izao ny fihaonambe karakarain'ny FFKM. Miantso an'ireo hery velona samihafa handray anjara amin'izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ho avy ny Antoko UNDD araka ny nambaran'izy ireo saingy hiara-hiasa amin'ny Antoko hafa kosa amin'ny fanohanana sy ny fanolorana olona amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena... ♦ Niabo ny voka-bary tohanan'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Maherin'ny 5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa...
Ny asa-tanana dia maneho ny maha-izy ny tena. I Piera dia mpitarika, ny asa fanaratoana dia maneho fa olona feno i Piera. Maro ny olona nanaraka an'i Piera, navelany ny lazany ka nanaiky an'i Jesoa Kristy izy ; niova ny maha-izy an'i Piera teo anivon'ny fiaraha-monina ary namaritra ny fisiana vaovao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco