Tontosa soa ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy ny Arseveka an'Antananarivo ary ny famaranana ny androm-pirenena ho an'ny ankizy, izay samy natao teny amin'ny kianja Soamandrakizay. Ny olon'ny fiombonana dia samy maneho ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Miantso ny rehetra mba handini-tena manoloana ny fikatsahana ny rariny sy ny marina, na ireo amin'ny sehatry ny finoana, na fitondrana, ny iray tanàna, atsaharo ny fanararaotana ny fahalalana olona, fa manimba zavatra maro.

Ny toetra mamaritra ny asa an-terivozona dia tsy manana fahafahana ny olona manao ny asa, tsy afaka manampan-kevitra, tsy afaka mamorina, ary ny habetsahan'ny zavatra vita no mibahana fa tsy ny hatsaran'ny asa vita. Ny asa ny vahoaka afaka dia fanompoana an'Andriamanitra, asa maimaimpoana, asa vokatry ny famoronana araka ny heviny sy ny fandinihany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

6 aogositra 2023 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Taona A — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Aretina efa nisy hatramin'ny andro niainan'ny Jesoa Kristy ny "habokàna", ary efa nisy hatrany ny fandraisana an-tanana ireny teo Madagasikara. Efa misy ny fivoaran'ny fikarohana mikasika ny fitsaboana ny aretina habokàna.  Ny habokana dia vokatry ny otrik'aretina "Bacile de hansen". Ity aretina io dia areti-mifidra fa tsy manaranaka, mifindra amin'ny alalan'ny ivy, rora, lelo, fifampikasohana maharitra amin'ny marary. Manafika ny hoditra,  ny retsika sy ny lalan-drivotra ary ny maso io otrik'aretina io...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...