♦ Nitaky fanazavana momba ny fomba ahitany ny rejisi-pifidianana ampiasaina amin'ny fifidianana teny amin'ny CENI teny Alarobia omaly ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Miandry amin'ny herinandro hoy ny tompon'andraikitra vao azo tanterahana izany... ♦ Laharana faha-12 amin'ireo firenena mandray anjara amin'ny lalaon'ny frankôfônia any Kinshasa i Madagasikara omaly. Nandrombaka medaly volamena teo amin'ny taranja Judo indray Laura Rasoanaivo... ♦ Mamporisika ny fanatanterahana ny fizarana karan-tany ho an'ny olom-pirenena tokony hisitraka izany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany saingy tokony hatao anatin'ny fanarahan-dalàna ny asa atao...
♦ Tsy azo ekena ny toe-javatra misy eto amin'ny firenena raha toa ka afaka hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ny kandikà manana zom-pirenena hafa ankoatra ny maha-malagasy azy hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay. Efa azo vinavinaina mantsy fa afaka milatsaka izy ireo raha ny atontan-taratasy takian'ny HCC... ♦ Mila mametraka fandaharan'asa lavitr'ezaka tsy hisian'ny tantely afa-drakotra ny tale jeneraly vaovao ao amin'ny CNaPs hoy ny delegen'ny mpiasa... ♦ Mametraka ahiahy momba ilay lalàna vaovao mifehy ny vondrona mpanao tahiry eny ifotony ny kômitim-pirenena ho an'ny famokarana tantanam-pianakaviana na ny CNAF sy ny rantsany any amin'ny faritra dia ny CRAF...
Ny fahafahana mamorona dia fanompoana an'Andriamanitra. Ny olombelona dia nomen'Andriamanitra saina sy fahalalana ka ireo no entina manao zavatra tsara sy mahaliana, izany hoe manana toe-tsaina mamorina. Ny fibanjinan'ny olona ny asan'ny tsirairay dia mampitodika ny olona iray amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
5 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco