8 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)
♦ Navotsotr'ireo jiolahy nanafika tao Mangaben'i Sahananto androany, ireo olona enina nataon'izy ireo takalon'aina... ♦ Mihisatra eo anivon'ny "Conservateur" ao Nosy-Be, efa ho herintaona mahery izao, ny fanoratana tany iray mirefy 1Ha mahery ao Ambonara... ♦ Miankina amin'ny Filankevitry ny Governemanta manokana, izay hotanterahana any Toamasina amin'ity herinandro ity, ny ho avin'ny Anjerimanontolo, hoy ny SECES androany...
♦ Hotanterahana any Seoul, Corée Atsimo ny JMJ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taona 2027... ♦ Mba ho fampiroboroboana ny sehatra ikatrohan'ny vaomieran'asa "Justice et Paix", nisy fivoriana notontosain'izy ireo tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, ho an'ny "Justice et Paix" ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Fankalazana jobily maha relijiozy sy voady mandrakizay nataon'ireo masera avy amin'ny Fikambanana "Filles de Marie Auxiliatrice" no nanamarika ny sabotsy teo, ho an'ity fikambanan-drelijiozy Saleziana Don Bosco ity...
♦ Mivangongo ny fakon'Antananarivo tato ho ato. Manginy fotsiny ny haratsian-dalana. Tsy fahaiza-mitantana no mahatonga izao zava-miseho ao an-drenivohitra izao hoy ny mpanolon-tsain'ny tanàna, Toavina Ralambomahay... ♦ Miandrandra fanavaozana ny fitantanana ny Tahirim-pirenena amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana sendikaly. Fatiantoka ny fitokonan'ny mpiasa, raha ny lalàna amin'izao ihany no mbola hitondràna ny CNaPs hoy izy ireo... ♦ Nisehoana fanafihan-jiolahy nahery vaika tany amin'ny tanànan'i Mangaben'i Sahananto, Distrikan'i Toamasina-II. Olona iray tamin'ireo voatafika no novonoin'ireo jiolahy mitam-piadiana, olona miisa 6 no natao takalon'aina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco