Tranga manokana miseho amin'ny vehivavy ny fadimbolana. Manana dikany telo lehibe izy : voalohany, tonga amin'ny fahamaotiana ny zazavavy ; faharoa, manaporofo fa tsy nitoe-jaza ilay vehivavy ; ary fahatelo, manomboka indray ny tsinjerina vaovao. Fandaharana "miaina sy mitia"
Isan'ireo voka-dratsin'ny "facebook" ny faharavan'ny tokan-trano maro. Misy ireo mpivady zary mifampiahiahy sy tsy mifampatoky intsony, ary mety hitarika hatramin'ny fisarahana. Variana amin'ny fampiasana finday na solosaina ny mpivady ka miteraka tsy filaminan-tsaina izany. Mety hiteraka tsikelikely ny faharavan'ny fifandraisana sy ny elanelana eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
21 aprily 2023 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
♦ Tsy nisy olom-panjakna ambony na iray aza, notsaraina teo anivon'ny HCJ, tao anatin'ny 5 taona. Naneho ny alahelony manoloana izany, ny Filohan'ny kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI, androany... ♦ Miatrika ny Fivoriambe isan-taona, eto Antananarivo, ny "Justice et Paix" eto Madagasikara. Anisan'ny voaresaka sy dinihina amin'izany ny famakafakana ny zava-misy ara-piaraha-monina sy nanaovana tatitra ny tranga niseho isan-diôsezy... ♦ Misy ilay tetik'asa OTOH, hanomezan'ny fitondram-panjakana zara-tany maimaimpoana, ho an'ny sokajin'olona tsy manana fahafahana hividy tany sy hanorina trano...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco