Talata 27 desambra 2022 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8

♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary ny sendika Seces sampana Antananarivo amin'ny taona ho avy manoloana ny tsy fahampian'ny orana any amin'ireo toerana fambolem-bary sompitr'i Madagasikara... ♦ Mbola olana tsy voafaritra hatramin'izao ny karama farany ambany ho ampiharina amin'ny taona ho avy. Maro anefa ireo mpiasa mbola tsy nisitraka ny karama farany ambany 250.000 Ariary mandraka ankehitriny... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny fa hisy vahiny mpitrandraka alefa ao Sahantona Mandritsara. Tsy miombon-kevitra amin'izany ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakàna ny solombavambahoaka any an-toerana...

♦ Hatao ny 28 desambra izao ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin'ny tetik'asa MIAMI any Toamasina... ♦ Tandindomin-doza ny voly lavanila ao amin'ny Kaominina miisa dimy any amin'ny Distrika Ambanja, Faritra Diana manoloana ny fitrandrahana terre-rare... ♦ Ny iray ampaha-telon'ny olona tonga nizaha fahasalamana tao amin'ny Hôpitaly HJRA afak'omaly 24 desambra sy hatramin'ny omaly 25 desambra tolakandro dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa, ary mpitondra moto ny ankamaroany...

♦ Hafatra Noely 2022 avy amin'ny FFKM : aoka tsy ho mpihaino fotsiny fa tena iaina ny Tenin'Andriamanitra isika. Mitarika antsika handinintena anatin'ny fanetren-tena ny Filazantsaran'ny Famonjena ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin'ny fahalovana sy ny ratsy fanao... ♦ Misafidy hiara-mivavaka, miara-mifety ary mizara fanomezana ho an'ireo olona ampian'i Père Pedro eny amin'ny Akmasoa hatrany ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany isaky ny fetin'ny Noely... ♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny fetin'ny Noely nanerana ny nosy. Nampitomboina rahateo ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana ary mbola mitohy amin'ny fety handraisana ny taona voavao ihany koa izany...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...