Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 4 aprily 2023 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)
♦ Mahatratra hatrany amin'ny 1 miliara Dolara, ny fatiantoka ateraky ny lozam-pifamoivoizana, raha ny antontanisa avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Maherin'ny 10 isan'andro, eto Madagasikara, ny olona maty eny an-dalambe... ♦ Nitokona indray ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Mahajanga androany. Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny fampitaovana azy ireo... ♦ Niisa fito ireo olona varira nisy naka an-keriny hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ka ny iray tamini'reo no namoy ny ainy...
♦ Hotontosaina ny alahady fankalazana ny Famindrampon'Andriamanitra, ny 16 aprily ho avy izao, ny fitsofan-drano sady fanambarana araka ny fomban'ny Eglizy, ny maha Sanctuaire an'i Jesoa be Famindrampo, ilay paroasy fahatelo ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Tanora 644 no niatrika ny Sampakazon'ny tanora ho an'ny tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, Faritra Dehoniana; ka lohahevitra nobanjinina nandritra izany, nanomboka ny 30 marsa hatramin'ny 2 aprily ny hoe: "Tanoran'i Kristy, miara-dia"... ♦ Ny 31 marsa hatramin'ny 2 aprily no notontosaina ny fivoriam-ben'ny Firohotana Iray Aina, ao amin'ny Diôsezin'Ambanja...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco